| Entry | 1 Indray andro tao Sahabe |
| Elementary words | 2 indray, 3 andro, 4 Sahabe |
| Part of speech | 5 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 6 Literature: poems |
| Author |
7 Andry Andraina |
| Full text |
8 9 Loharano kely tsy dia manahoana 10 Mivoaka avy eo am-pototr' i Mandraka, 11 Toa tsy maika, tsy manenjika fotoana, 12 Mihoatra aza, varian-drery, mitanàka ; 13 Roso, kely halalina maharitra, 14 Raha itsakana tsy tafakatra hafe, 15 Loharano ety maso, kely faritra, 16 No manome ny renirano Sahabe. 17 Ny tany bezanozano no vakiny, 18 Lalovany tsy azon' antso i Moramanga, 19 Mianavaratra ny lalana zohiny, 20 Madio, tsy omban-tany, tsy haroin' antsanga. 21 Antsihanaka amin'izy marim-boho 22 No idirany rano efa be velarana, 23 Mandalo andrefan' ny vohitr' Ambaiboho, 24 Any Alaotra ny diany no mifarana. 25 Indray taona izay, tony indrindra ny voary 26 Nanemitra ny renirano Sahabe, 27 Ka ny fotoana, teo, sendra masa-bary, 28 Dia notorian'ny feo tetsy sy teroa re : 29 Ao ny siokan’ny salohy navesa-boa 30 Nafafin'ny onja tokam-bolo tazana, 31 Ny kiakiakan’ny fody, mba nanako koa, 32 Nampiloatra ny hafalian-tsy ahombiazana ; 33 Ao ny kotaban'ny gisa, kanakana. 34 Nitobahan-tsakafo, toa nilanona, 35 Ny omby nimà, manim-bala na kijana, 36 Nefa voatery hiasa tsy an-kijanona ; 37 Ao ny olona, nangina dia tanteraka, 38 Nijinja, variana, nanadino trano, 39 Na nitaona, nitety, kaoka, reraka. 40 Ny tetezan-kazo nitatao ny rano. 41 Io no tetezana, foana arofanina, 42 Angamba efapolo metatra halava, 43 Hamitana zavatra iray nomanina, 44 Zavatra tsy mora tantarain’ ny vava. 45 Tamin' izany, nisy fihetseham-baovao 46 Nanova ny tontolo tony ranoray ; 47 Sahabe aza, gaga ireo mananaina teo, 48 Ka taitra ny trondro, zendana ny voay. 49 Avy andrefana, avy atsinanana, 50 Tamy, andia roa lavitra ny ho faly, 51 Nasesin’ny olona ombam-basy an-tanana, 52 Vazaha sy miaramila soanagaly. 53 Tantsaha nisy zato lahy mahery, 54 Nitafy soga, jiafotsy, sikim-bory 55 Samy naradratra, nisoliti-pery, 56 No teo, indreo, nampihaonina, navory. 57 Ny atsinanana no natao hisantatra 58 -- Folo lahy sina, tsy nandrenesam-peo -- 59 Ny anton-draharaha tsy mbola fantatra, 60 Anton' ny niaviana, nifamoriana teo. 61 Ireo folo lahy aloha voavaka 62 Dia nandroso nitsaotsaoka toa hisaotra ; 63 Nampijoroina, toa amoron-davaka, 64 Teo an-tetezana nanitsy an' Alaotra. 65 Nalahatra tsara niamboho rano ireo ; 66 Nasiany sarona ny tapany ambony 67 Araka ny baiko azony teo no ho eo, 68 Dia sarona efa nivatsiany, gony. 69 Soanagaly mpampanjaka horohoro, 70 Folo koa, vonona amin-tifitra rere, 71 Nikendry anoloana, niandry ny hoe : “Doro” ! 72 No hampidaboka ireo any Sahabe. 73 Mova tsy nitana aina ny tontolo 74 Nanaraka ny fiomanana rehetra, 75 Fa nony ny folo novonoin' ny folo 76 Ny fiandrasana niova ho hararetra. 77 Ny rivotra re ho nihovitrovitra, 78 Ny habakabaka toa hikoa, hikoro, 79 Ny vohon-tany zary triatra, rovitra, 80 Ny velona niampify, nihorohoro. 81 Fa ny famonoana nitohy ihany ; 82 Nangalana ny ankilany sy andaniny, 83 Dia nasesy samy tsifolofolo hatrany ; 84 Ny tonia, tsy nisy iray nodinganiny. 85 Maty hena ireo niandry izay anjarany, 86 Indrindra ny efa akaiky hampandrosoina ; 87 Ny tifitra raha ny nitsaharany 88 Dia nony tsy nisy koa ny hovonoina. 89 Gaga ny trondro, talanjona ny voay, 90 Toy ireo nahita tsy fahita ihany ; 91 Fa, taorian'ny riatra sy daonan-drano iray, 92 Izy koa nivadika aina lozan-tany. 93 -- Nahavita hadisoana angaha, hono, 94 Hoy ny fony iray nilaza ny mba reny, 95 Ireo zary olon-dia nampiharim-bono, 96 Toa hoe tsy lefitra ny hadisoam-beny ! 97 -- Nangalatra sy namaky trano ireo ve, 98 Hoy ny foza, sa koa nahafaka aina ? 99 -- Tsia, hoy ny mpilaza, nandà ny lehibe 100 No helok'ireo, nalaina hoziogaina ! 101 -- Ratsy izany ve ? hoy ny toho keliray, 102 Raha mba mitraka dia hafoy ny aina ? 103 -- Mahadiso kosa izany, hoy ny voay. 104 Nadinika no hiseho ho be saina ! 105 Fa ny nampandroso ny folo isan' ila 106 Dia Vazaha tarehin' ny maika lava, 107 Hafa tsy tahaka ireto miaramila 108 Fa be rebareba sy volombava. 109 Izy no nandahatra eo avaratra, 110 Nibaiko, morainy edrey nila tsy ho re, 111 Nitso-drano ireo hitselaram-baratra 112 Amin' ny vokovoko marika faobe. 113 -- Olo-masina iny, hoy ilay mpilaza, 114 Manao an-tratra ny andraikitra niantsoana, 115 Manadio amin'ny ratsy tsy sahaza 116 Ireto efa diso imbetsaka miantoana. 117 -- Izay, hoy ny voay feno fahendrena, 118 Sady hadisoana no koa fahotana 119 No nataon' ireo ninia namono tena ; 120 Soa fa misy tsy leo, tsy sasa-piatrana ! 121 Roapolo taona mihoatra aty aoriana, 122 Gaga ny trondro, talanjona ny voay, 123 Indrindra ireo zaza tsy ela nahariana, 124 Fa i Sahabe toa mihamarivo indraindray. 125 Rahefa ririnnina andro,masa-bary, 126 Ka ny tsindretra mandositra tandroho, 127 No ahatsapana izany mirahihary 128 Manaraka ny tetezan' Ambaiboho. 129 Ny renirano hatrizay tsy rototra 130 Dia eo vao mainka indray toa miroanahana, 131 Ny lalany, ohatra ny ho tototra, 132 No miseho ho sakana mibahana. 133 Fa mievotra, akaiky hanangasanga, 134 Misy tohitra koriana tsy hisosa, 135 Tazana noho ny tsi-fisian' antsanga 136 Taolam-potsy manao antonta miavosa. 137 Nony natao ve ny tetezan-kazo teo, 138 Sy nasiana lalam-by ho an'ny kraomita, 139 Nokaohina hiala ireo taolam-potsy ireo, 140 Noho ny famboaram-be tsy maintsy vita. 141 Teo ny trondro sy ny voay vao niaina, 142 Vita ny sakantsakana tambalana, 143 Tsaroany ho nisy hidy novohaina, 144 Na rano na izy samy mora lalana. 145 Ny hiangaviako anao izao mamaky ahy 146 Dia tsy hanaiky hamoy aina sanatria, 147 Na ho faty ray, iray tam-po, zaodahy, 148 Fa hisaina ireo natao sorona iray dia. 149 Raha mitraka ianao ankehitriny, 150 Sao dia antony mba niavian' izany re, 151 Toy ny rehetra naringana fahiny, 152 Ireo ripaka indray andro tao Sahabe ? |
| Updated on 2025/11/17 |
|